Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.