Koa maminania ny amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka lazao amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: (Indro, tamin’ ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin’ ny firenena,