Chapter 21 : Verse 17
Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.