Chapter 3 : Verse 8
Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.