Chapter 21 : Verse 12
Ry taranak’ i Davida, izao no lazain’ i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ ny ataonareo.