Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.