Chapter 13 : Verse 33
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.