Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.