Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.