Chapter 9 : Verse 2
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.