Chapter 13 : Verse 21
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’ izany andro izany dia tsy tonga tamin’ ny Sabata intsony izy.