Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.