Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masìna ireny; ny ràny dia hatopinao amin’ ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.