Chapter 21 : Verse 1
Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.