Chapter 23 : Verse 3
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.