Chapter 33 : Verse 8
Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.