Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.