Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan’ ny vavahady; dia hitako teo amin’ ireo Jazania, zanak’ i Azora, sy Pelatia, zanak’ i Benaia, lehiben’ ny vahoaka.