Chapter 36 : Verse 17
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely nonina tany amin’ ny taniny, dia nandoto izany tamin’ ny fanaony sy tamin’ ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan’ ny vehivavy mararin’ ny fadim-bolana no fahalotoan’ ny fanaony eo anatrehako.