Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.