Chapter 21 : Verse 7
Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.