第 9 章 第 11 节
Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.