第 10 章 第 35 节
Ary nony ampitson’ iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.