Logo

Webible

Psalms 25

25 / 150
1

Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.

2

Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.

3

Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.

4

Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.

5

Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.

6

Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.

7

Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,

8

Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.

9

Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.

10

Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.

11

Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.

12

Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

13

Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.

14

Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

15

Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.

16

Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.

17

Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.

18

Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.

19

Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.

20

Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.

21

Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.

22

Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.