Logo

Webible

Ecclesiastes 1

1 / 12
1

Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.

2

Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

3

Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro?

4

Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.

5

Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany.

6

Mianatsimo ny rivotra, dia mihodìna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.

7

Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’ izay falehan’ ny renirano ihany no iverenany indray.

8

Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.

9

Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ ny masoandro.

10

Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany.

11

Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy.

12

Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema;

13

ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.

14

Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.

15

Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.

16

Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

17

Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,

18

satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.