Logo

Webible

Leviticus 6

6 / 27
1

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:

2

Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.

3

Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.

4

Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.

5

Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.

6

Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.

7

Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’ i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah eo anoloan’ ny alitara.

8

Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin’ ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.

9

Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.

10

Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho Ahy izany; masìna dia masìna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.

11

Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.

12

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:

13

Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

14

Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.

15

Ary ilay mpisorona avy amin’ ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an’ i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;

16

fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin’ ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.

17

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:

18

Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.

19

ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.

20

Ho masìna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan’ ny ràny, dia hosasanao eo amin’ izay fitoerana masìna izay ipitihany.

21

Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

22

Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masìna dia masìna izany.

23

Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.