Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3“Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”
4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
6“Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
9Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
10Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
11Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.