Logo

WeBible

Job 8

8 / 42
1

Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2

Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?

3

Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?

4

Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5

Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.

6

Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,

7

Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

8

Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany

9

(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);

10

Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11

Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12

Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.

13

Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,

14

Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15

Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16

Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;

17

Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;

18

Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19

Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.

20

Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21

Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.

22

Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.

Job 8