Logo

WeBible

Mark 16

16 / 16
1

Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.

2

Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo.

3

Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ ny varavaram-pasana hisolo antsika?

4

Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.

5

Ary raha niditra tao anatin’ ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.

6

Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’ i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.

7

Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.

8

Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’ olona izy, satria natahotra.

9

[Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.

10

Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ ireo efa nomba an’ i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.

11

Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.

12

Ary taorian’ izany Jesosy dia niseho tamin’ ny endrika hafa tamin’ ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha.

13

Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin’ ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14

Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy.

15

Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.

16

Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

17

Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18

handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.

19

Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra.

20

Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ ny famantarana izay nomba azy. Amena.]

Mark 16