Logo

WeBible

Numbers 13

13 / 36
1

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:

2

Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ ny Zanak’ Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ ny fireneny avy.

3

Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

4

Ary izao no anarany: Avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Samoa, zanak’ i Zakora;

5

avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia Safata, zanak’ i Hory;

6

avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;

7

avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Jigala, zanak’ i Josefa;

8

avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia Hosea, zanak’ i Nona;

9

avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Palty, zanak’ i Rafo;

10

avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Gadiela, zanak’ i Sody;

11

avy tamin’ ny firenen’ i Josefa, tamin’ ny firenen’ i Manase, dia Gady, zanak’ i Sosy;

12

avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Amiela, zanak’ i Gemaly;

13

avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Setora, zanak’ i Mikaela;

14

avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Naby, zanak’ i Vofsy;

15

avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Geoela, zanak’ i Maky.

16

Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa.

17

Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ ny tany havoana;

18

dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

19

ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

20

ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ ny voaloboka mialin-taona.

21

Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’ i Hamata.

22

Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)

23

Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.

24

Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ ny Zanak’ Isiraely teo.

25

Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.

26

Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

27

Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

28

Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.

29

Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.

30

Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.

31

Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.

32

Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;

33

ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.

Numbers 13