Logo

WeBible

Numbers 2

2 / 36
1

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

2

Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.

3

Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;

4

ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

5

Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;

6

ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.

7

Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;

8

ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.

9

Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.

10

Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora;

11

ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

12

Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;

13

ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.

14

Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela;

15

ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.

16

Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.

17

Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.

18

Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;

19

ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.

20

Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora;

21

ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.

22

Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;

23

ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.

24

Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.

25

Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;

26

ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

27

Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana;

28

ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.

29

Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana;

30

ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

31

Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.

32

Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.

33

Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

34

Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.

Numbers 2