Logo

WeBible

Psalms 10

10 / 150
1

Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?

2

Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.

3

Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.

4

Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny.

5

Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?

6

Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7

Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8

Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.

9

Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.

10

Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy.

11

Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12

Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.

13

Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?

14

Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.

15

Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

16

Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.

17

Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,

18

Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany.

Psalms 10