Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.