Logo

WeBible

Psalms 19

19 / 150
2

Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany.

3

Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy.

4

Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.

5

Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy;

6

Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy.

7

Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.

8

Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.

9

Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso.

10

Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.

11

Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra.

12

Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe.

13

Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra.

14

Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.

15

Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.

Psalms 19