Logo

WeBible

Psalms 38

38 / 150
2

Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

3

Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,

4

Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.

5

Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.

6

Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.

7

Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.

8

Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.

9

Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.

10

Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

11

Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.

12

Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

13

Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.

14

Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

15

Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

16

Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

17

Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

18

Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

19

Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.

20

Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

21

Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.

22

Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.

23

Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

Psalms 38