Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.
Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika;
Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.