Chapter 8 : Verse 5
Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony.