Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.