Fa ao an-tendrombohitro masìna, dia ao an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ ny taranak’ Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ ny zava-masinareo rehetra,