Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.