Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
3Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
4Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
5Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.
6Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.
7Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.
8Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.
9Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
10Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy;
11Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.
12Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.