Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.
3Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,
4Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
5Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
6Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
7Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.
8Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.
9Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.
10Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
11Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.